Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.