Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.
Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.
Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.