Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.