Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.