Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.
Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.
Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.
Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.
Ary hoy ny boriky tamin'i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
Dia nampahiratin'i Jehovah ny mason'i Balama hahita Ilay Anjelin'i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
Dia hoy Balama tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
Ary hoy Balaka tamin'i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon'Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.