Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.
Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy.
Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana.
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.
Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.