dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.