Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan'i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
Ary hatramin'izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman'ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon'ny fianakaviana rehetra amin'ny Joda.
Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin'ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
Ary hoy izaho tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin'ny manda isika ka mifanalavitra.