Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.