Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;
nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.