Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.