Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.