Ary raha hatramin'ny dimy taona ka hatramin'ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban'ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
Ary raha hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban'ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban'ny zazavavy.
Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy.
Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.
Ary raha misy olona manamasina ny tranony ho an'i Jehovah, dia hotombanan'ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon'ny mpisorona tombany no izy.
Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.
Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan'ny olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia masina ho an'i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah.