Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.