Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.
Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.