Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.
Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?
Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.
Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?
Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.