Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.