Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.