Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.
Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.