Joshua 15

Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,
dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,
dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.
Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany).
Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
sy Kina sy Dimona sy Adada
sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
sy Zifa sy Talema sy Bealota
sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
sy Amama sy Sema sy Molada
sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
sy Bala sy Ie sy Azema
sy Eltolada sy Kesila sy Horma
sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
Libna sy Atera sy Asana
sy Jifta sy Asna ary Neziba
sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
sy Anaba sy Estemo sy Anima
sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
Araba sy Doma sy Esana
sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka
sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.