Job 25

Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy?
Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.