Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.