dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.
Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.