Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony.
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana?
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.