Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato?
Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.