Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.
Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.