Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.