izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.