Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.
Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.