Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.