Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).
Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana