Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.