Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,
tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.
Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
Izao no lalàna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.
Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.
Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.
Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.