Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany.
Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.
Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.
Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.