Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.