ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.