Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?
Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.
Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.