Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.