Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.