Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.
Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.
Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.