Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,