Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.