Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,