Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.