Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,