Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.