Amos 3

Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.
Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.