Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy.
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny.
Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.
Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.