ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo.
Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.