Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.